|
![]() |
![]() |
Pour vos Annonces , Communiqués ou Petites Annonces
Salut 3 doigts
|
Envoyer un email à TetezamitaKely |
|
Vos Annonces , Petites Annonces et Communiqués
A003 | 02-101-2004 : Komitin' ny Jobily80 E-mail :a.famonjena@simicro.mg |
Antananarivo
faha 02 Janoary 2004
Ho an'
- Ny Mpitondra fivavahana, ny Kristiana rehetra
sy ny Fiangonana miray amin'ny EEM, FLM,
.
FJKM,METM
- Ny Komitim-pivondronana MTEM
- Ny Tily am-perinasa sy Tily tranainy rehetra
- Ny Ray aman-dreny sy Sakaizan'ny Tily
Fivondronana Antony
: FANOKAFANA NY JOBILY FAHA 80 TAONA Ry
havana malala, Ho
aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika, Noho
ny fahasoavan'Andriamanitra dia faly izahay manolotra anareo ny
fiarahabana tratry ny Taona
vaovao 2004 izay taom-pankalazana rahateo ny JOBILY FAHA
80 TAONA ny fikambanana TILY ETO MADAGASIKARA. Araky
izany dia fifaliana lehibe ho anay TILY rehetra, tranainy sy am-perinasa
ny manasa antsika kristiana rehetra hiombom-po sy hiaraka hanatanteraka
aminay ireto fandaharana roa sy lanonam-panokafana ny Taon-jobily ireto
: 1
- Asabotsy 24 Janoary 2004 : Filaharambe
sy Fihaonambe -
Filaharana mamakivaky an'Antananarivo miainga vao maraina amin'ny
toerana samihafa ary miditra ao Antsahamanitra amin'ny 2 ora tolakandro.
Ny ray aman-dreny sy ny sakaiza ary ireo zokiolona dia miala ao
amin'ny Kianja Monisipaly Mahamasina
amin'ny 1 ora sy 15 minitra. -
Ny Fihaonambe dia ao Antsahamanitra manomboka amin'ny 2 ora, hisy :
- Koranam-pifaliana
- Fifankahalalana
- Fanentanana samihafa. 2-
Alahady 25 Janoary 2004 : Fanompom-pivavahana
fanokafana ny Jobily faha 80 taona
izay
hatao ao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina -
Mahamasina amin'ny 2 ora sy sasany. Ny
Filohan'ny Fiangonana na ny Solotenany no hitarika ny
fanompoam-pivavahana amin'izany. Hisy
toerana voatokana ho an'isan-tsokajiny. Marihana
manokana fa ankoatry ny Rakitra ho tantazana amin'io fotoana io dia hisy
ny FANATITRA-JOBILY ataon'ny tsirairay, isam-piangonana,
isam-pivondronana hatao ao anaty valopy ary haterina amin'ny toerana
voatokana. Aoka ho vonona amin'izany isika. Manantena
izahay fa ho tonga maro ianareo mba ho fanohanana ny asam-panabeazana ny
ankizy sy tanora malagasy isay ilofosan'ny fikambanana Tily sy efa
nosahanany nandritry izay taona maro izay. Eo
am-pamaranana, ry havana, dia mametraka anareo eo ambany fahasoavan'ny
Tompo no manantitra ny fisaorana ombam-pankasitrahana feno. Ny
Filohan'ny Komity Nasionaly
Ny Filohan’ny Foibe Tily
Ny Filohan’ny Fifandraisana Ny
Mpitandrina RAMINO Paul
RAKOTONARIVO Haja
RANDRIAMBOAVONJY Pascal |
|
A002 | 24-10-2003 : Andrianasolo Stefana E-mail :scoutef@yahoo.fr |
Ity no site Fanehoana Fankalazana ny
Jobily faha 80 taonan-tsika TEM koa dia manainga, manasa antsika rehetra
handray anjara fa izany no tena ilaina avy aty amintsika. Skoto indray andro skoto mandrakizay ka Vonona Hatrany hatrany isika mianakavy |
|
A001 | 19-10-2003 : Communiqué Foibe Tily E-mail :foibe.tily@laposte.net |
ECLAIREURS UNIONISTES DE MADAGASCARB.P.
771 – Antsahamanitra Antananarivo
101 E-mail :foibe.tily@laposte.net COMITE
DE CELEBRATION DES 80 ANS
|
|
|
|
(Vos idées sont les bienvenues)
Tous les Tily et Tily Tranainy sont invités à participer à l'élaboration et l'amélioration du site
"Ensemble faisons vivre notre site"
"Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary"
Page mise à jour par TetezamitaKely /Octobre 2003
Pour tous commentaires, suggestions, inspiration adressez un e-mail à : Serge